<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>W.H. Doane</author>
<hymn_number>429</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Inty ny olona, Jeso Tompo ô !
 Fa nandre ny antsonao
 He, maniry mba hotarihinao
 Ho akaikinao kokoa.
 Mba tariho aho, Jeso
 Tompo ô !
 Eo akaikinao kokoa,
 Mba tariho aho, Jeso
 Tompo ô !
 Mba ho olonao tokoa.

[V2]
 Tsy ny sitrako, fa ny sitrakao
 No iriko mba hatao,
 Fa navotanao ny
 mpanomponao
 Ka Manaiky ho Anao.
 Mba tariho aho, ..sns.

[V3]
 Raha mitokana mba hivavaka,
 Ka miresaka Aminao,
 Velombelona ny fanahiko,
 Tafakambana Aminao.
 Mba tariho aho, ..sns.

[V4]
 Raha avy re izay hodiako,
 Hody Aminao indray,
 Ao ny saiko vao tena afa-po
 Tonga ao an-tranon-dRay.
 Mba tariho aho, ..sns.</lyrics>
<title>Inty ny olonao, Jeso Tompo o FFPM429</title>
</song>